|
|
|
|

Entry1  Tsy embona
Part of speech  2  name (poem title) [Full list]
Elementary words  3  tsy, embona
Vocabulary  4  Literature: poems
Author  5  Rabearivelo Jean-Joseph
Full text 
6  Tsy mba zavatra vao, 7  Fa tena fahita hatramin'ny ela 8  Ny tahaka izao: 9  Raha ritra ny rano, ny sisa tavela 10  Dia fotaka monja - 11  Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja!
12  Ny hany fitana: 13  Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana. 14  Hany ka ana 15  Ilay fo manantena firavoravoana 16  Hatrany hatrany, 17  Ka heriny sisa, nisotro tomany!
18  Kanefa, hoy aho, 19  Tsy hoe ranomaso voalokon'ny kiry 20  Na ran'ny talaho 21  No tonga nameno impiry, impiry 22  Ilay fo nitadidy- 23  No tonga nameno kapoaka mangidy!
24  Fa hany nandoko, 25  Dia volon-davenona hilaza fa maty 26  Ilay afon'ny foko 27  Nitsilo ny lakana nita tanatin' 28  Ny fahatsiarovana 29  Efa lavo sy lanin'ny fotoam-pahalovana!
30  O! rivotra adala 31  No sendra nandalo nanao tora-javona! 32  Nony efa niala, 33  Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona... 34  Ka inona foana 35  No tonga nanairany fanadinoana?
36  Etsetra, etsetra... 37  Dia inty aho tody fitana hafa indray; 38  Ary tsy mba hitsetra 39  Raha sendra miverina ilay fiainana iray 40  Izay lasan'ny taona 41  Nitoeran'ny foko efa nanala saona!
42  Nikoro! Nifono 43  Lavenona manja ny andro fahiny! 44  Mivolon-dronono 45  Ny kaopy nasoloko iny kaopiko iny! 46  Ry fahatsiarovana, 47  Hianao efa lanin'ny fotoam-pahalovana!
48  Tena zavatra vao 49  Sy mbola tsy hita hatramin'ny ela 50  Ny torak'izao: 51  Ny rano efa ritra - tsy nisy tavela, 52  Na fotaka monja! 53  Nankaiza? Nankaiza? - Navalan'ny onja!

Updated on 2025/07/29